Actualités

Retour aux actualités
Akademia Malagasy Miara-Miainga – tanora 51 mandray anjara amin’ny andiany voalohany

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Akademia Malagasy Miara-Miainga, tetikasan’ny Antoko natao hanofanana sy hampivelarana ny fahaizan’ny tanora eo amin’ny sehatry ny politika, ny fitantanana ary ny fiainam-pirenena.

Tanora 51, avy amin’ny Faritra samihafa manerana ny Nosy, no mandrafitra ny andiany voalohany. Haharitra enim-bolana ny fiofanana, manomboka ny volana Septambra 2026 ka hatramin’ny Febroary 2027.

Hifantoka bebe kokoa amin’ny haitarika, ny fampandrosoana ifotony, ny fitantanana tetikasa ary ny raharaham-panjakana ny fiofanana izay hatao.

Nazava ny hafatry ny Filohan’ny Antoko, Atoa Hajo Andrianainarivelo, fa ny tanjon’ny Akademia Malagasy Miara-Miainga dia ny hanomana tanora manana fahalalana, fahavononana ary fahaiza-mitarika, afaka mandray andraikitra sy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara.

#25septembre2026 #Akademia_Malagasy_Miara_Miainga #Tanora_Malagasy_Miara_Miainga #MMM_2026